Vavaka Mahery Vaika Miisa 500 Hanoherana Ny Fanafihana Ara-Panahy


1 Votoatiny

Fonony

Fampidirana

Teboka iaingam-bavaka mba hamotsorana ny herin'Andriamanitra

Fiatrehana Voalohany: Vavaka ady ara-panahy mandritra ny 7 andro

Inona no tokony hataonao raha ahiahinao ho tratran'ny fanafihana ara-panahy ny tenanao?

Fizarana B

Vavaka fanapahana ozona Tohiny)

Famantarana fampitandremana amin'ny fanafihana ara-panahy

Vavaka mba hahazoana ny tari-dàlana sy fiarovan'Andriamanitra

Mampiasa ny ràn'i Jesosy ho fitaovam-piadiana

Andro faha-16: Ady ara-panahy: Teboka iaingam-bavaka

Andro faha-17: Vavaka ho anny fanafahana aminota ara-nofo, Filàna olona mitovy fananahana aminny tena ary Fibiriohana ara-nofo.

Andro faha-18: Vavaka fanafahan-tena

Andro faha-19: Fanafahana tanteraka amina vady fanahy

Andro faha-20: Vavaka fanafahana aminny fanahini Jezebela

Andro faha-21: Vavaka anoherana ny herin'ny aizina

Vavaka amotehana ny angaredona satanika sy demoniaka aminny misasaka alina.

Vavaka mampitsahatra fampahoriana

Vavaka anoherana fanahy avy any anatin'ny ranomasina

Fanafahana amina menarana

Fanafahana amina fanodinkodinana ataonny demony

Vavaka mamotika ny fanahinny fandringanana

Mifandraisa aminay

Marika

Dr. Olusola Coker

1 Vavaka 500 anoherana fanafihana ara-panahy

BookRix GmbH & Co. KG

80331 Munich

Nadikan'i Jasmin Ralison

Natontan'i Tektime

© 2021 - Dr. Olusola Coker

1 Fampidirana

Misy vavaka mahery miisa 500 anoherana ireo herinny aizina, hery ratsy, herinny mpamosavy ary ireo mpanapaka ny fahamaizinana rehetra eo aminizao tontolo izao ity Boky ity. Araka ny voalazanny Efesiana 6:12 manao hoe: Fa isika tsy mitolona aminny nofo aman-drà, fa aminny fanapahana sy aminny fanjakana sy aminny mpanjakanizao fahamaizinana izao, dia aminny fanahy ratsy eny aminny rivotra.

Rehefa mihevitra ny Vavaka anoherana ny herinny aizina isika dia mila mahatakatra fa ao anaty ady isika. Ady maro no mamorona ireo singa kely kokoa aminny tena zava-dehibe. Ara-pamaritana, ny ady dia mitaky fifanandrinana eo aminolona anankiroa, eo aminolona mifampiandany ary eo amina tafika, ary izy io dia izay karazana fifaninanana na tolona na adihevitra maharitra ela rehetra. Aminny maha-Kristiana antsika dia ao anatina ady ara-panahy amina karazany tsy voafaritra isika isanandro. Ao anatinny ady lehibe dia iadiana amina toerana ifanandrinana samy hafa ny ady, noho ny antony samy hafa ary amina lentam-pahamafisana miovaova. Mitovy aminizany ny ady ara-panahy. Tena misy ireo adintsika ara-panahy na dia tsy hitantsika ara-batana aza ny mpanafika. Izao anefa, azontsika atao ny mampianatra ny tenantsika ny fomba iadiana ireo ady ireo sy ny fomba iantraikànizy ireo aminny fiainantsika isanandro.

Mila manontany tena isika hoe Inona no antony tokony hiadiantsika? Tsy hahasoa antsika ny hampianatra ady ny tenantsika raha tsy mahita antony anaovana ilay ady isika. Zavatra tena iadian-kevitra tokoa eo aminny fanjakanny azo tsapain-tànana ny ady. Ireny toetra, finoana ary faharesen-dahatra ireny dia hifindra any aminny fanjakanny ara-panahy. Na izany aza, ao aminny fanjakanny ara-panahy dia misy ady mandeha na dia eo aza ny hevitsika manokana. Na isika mpandresy, na isika misy zavatra mahazo antsika. Tonga i Jesosy ary naharesy. Efa azo any an-danitra ny fandresena aminny ady. Ao aminny Matio 28:18 dia miteny amintsika i Jesosy hoe Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy et an-tany. Ananantsika ankehitriny ny tombotsoa hànana fifandraisana mandrakizay aminAndriamanitra. Maro amintsika no miditra aminizany fanekem-pamonjena izany aminny alalanny fahasoavana. Saingy tsy mikasika ny famonjena antsika fotsiny ny Matio 28:18; momba ny fandresentsika isanandro ihany koa izy io, izay mitambatra ho fiainana feno fandresena ao amini Kristy. Ny fandresena isanandro dia azo aminny alalanny fahafantarana sy finoana ary fahatakarana ireo ady izay iaretantsika isanandro, na tsy manao na inona na inona ianao na manao zavatra ao anatinizany ady izany. Tianao ho azo izao dia izao ve ny zavatra rehetra tianAndriamanitra ho anao et an-tany, sa te-hiandry ho tonga any an-danitra ianao vao handray ny fandresena sy fitahiana?

Ao anatinity Boky ity dia ho takatrao ny Adinny Ady lehibe ara-panahy miaraka amina vavaka mihoatra ny 500 izay hahafahanao manohitra ireo herinny fahamaizinana ary ho mpandresy. Ireo vavaka ireo dia miantoka fa ho azonao indray ny fanananao sy ny fahafahana hahomby nomenAndriamanitra anao ao anatinao. Ho azonao daholo ihany koa ny zavatra rehetra izay nesorinny Devoly taminao. Miatrika ireto fanamby manaraka ireto ve ianao,

miaina amina toetry ny antikristy ary manaraka ny Foto-pampianaranizy ireo, Miaina tsy misy finoana, Fakam-panahy ara-nofo ho anireo tsy manambady, Herisetra ara-nofo, Fisaraham-panambadiana, Fahapoteham-piainana, Fahantrana, Tsy fisiam-pifantohana, Fifanjevoana ao an-tsaina, Filàna olona mitovy fananahana aminny tena, Filàna vehivavy mitovy aminny tena, Fiankinan-doha amin-java-mahadomelina, Tsy fananana asa, Tsy fananana tanjona mazava, Fifanjevoana ao an-tsaina, Kamo mivavaka, Tsy te-hanompo anAndriamanitra sy ireo maro hafa.

Raha izany, boky tena tokony hovidinao ity boky ity. Raha misy atrehinao aminireo olana eo ambony ireo dia mila mahery setra ianao manao ireto vavaka manaraka ireto. Tsy misy olana mihoatra anAndriamanitra.

1 Teboka iaingam-bavaka mba hamotsorana ny herinAndriamanitra

Ataovy ireto vavaka ireto indrindra aminny misasakalina ary ataovy miaraka aminireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ny vavaka Salamo 35. Mialoha ny hanaovanao vavaka ady Ara-panahy mandritra ny 7 andro dia mila mamotsotra ny herinAndriamanitra aminny tenanao ianao.

Andininy ao aminny baiboly: Salamo 62:11, Joba 26:14, Salamo 79:11

 TOMPO ô, avotsory ny herinao be voninahitra hanohitra ny fahavalo ary aparitaho izy, aminny anarani Jesosy.

 TOMPO ô, avy aminny tànanao no amotsorana hery sy fahatanjahana ary manapaka ireo fahavalonao Ianao, aminny anarani Jesosy.

 Avotsotra hamely ireo herinny aizina ny herinny fahatezeranao, aminny anarani Jesosy.

 Avotsotro ny herinny Tompo aminizao fotoana izao, hanohitra ny demony REHETRA mifanena amiko, aminny anarani Jesosy

 Afaka tanteraka aminny herini Satana mankaminAndriamanitra aho, aminny alalanny rani Jesosy Kristy.

 Mahery ao aminny Tompo sy aminny herinny faherezany aho.

 Ry herinny aizina eto an-tanàna ampanekeo ny Tomponay ny herinareo, aminny anarani Jesosy.

 TOMPO ô, mba asehoy ny herinao mahatahotra, mba hahatonga ny olona hino; mahagaga ahy ny herinao.

 TOMPO ô, avotsory hanasitrana sy hanafaka ny herinao, aminny anarani Jesosy.

 TOMPO ô, avotsory ny feonao mahery, aminny anarani Jesosy.

 TOMPO ô, avotsotra aminny alalanireo apostolinao sy mpaminaninao ny herinao lehibe, aminny anarani Jesosy.

1 Fiatrehana Voalohany: Vavaka ady ara-panahy mandritra ny 7 andro

Andininy ao aminny Baiboly: 2 Korintiana 10:3-4, Zakaria 4:6

Andro voalohany Tompo ô rakofako aminny rani Jesosy ny tenako, ny ankohonako, ny asako, ny mpiara-miasa amiko.

 Avotsotro ny afonAndriamanitra hamotika sy handevona ny ozona rehetra nalefa hamely ahy, aminny alalanny Ràni Jesosy.

 Atifitro miverina any aminizay nandefa azy ny zana-tsipìka ratsy rehetra nalefa tat amiko sy ny tokantranoko, aminny Anarani Jesosy.

 Avotsotro ny AfonAndriamanitra, ny Ràni Jesosy ary potehiko ny herinny famosaviana, fahafatesana, fahapotehana, aretina, fanaintainana, rojom-bavaka; emboka manitra sy ny fandrehetana labozia.

 Foanako ny ozona rehetra nalefana hery ratsy tat amiko sy ny ankohonako, aminny anarani Jesosy.

 Tapahiko sy dorako ny tady volafotsy sy tsipi-pifandraisana tsy hita masonireo hery ratsy tsy avy aminAndriamanitra, aminny anarani Jesosy. Hidìko tanteraka ao aminizy ireo ny herinizy ireo aminizao fotoana izao, mba tsy hahafahanizy ireo mampiasa izany hamelezana na iza na iza ary ho potika ny asanizy ireo aminizao fotoana izao, aminny anarani Jesosy.

 Ambarako fa potika aminny anarani Jesosy ny ozona tsy fantatra rehetra eo aminny fiainako.

 Ambarako fa maty izao dia izao ny ozonny famosaviana rehetra eo aminny anjarako.

 Ambarako fa potika izao dia izao aminny anarani Jesosy ny fanekena ratsy rehetra nataonny tanàna misy ahy ka miantraika aminny fandrosoako.

 Ambarako fa maty izao dia izao aminny anarani Jesosy ny famosaviana sy fanekenny fanahy mahazatra anoherana ny fiainam-panambadiako, ampy izay.

Andro Faharoa

Andininy ao aminny Baiboly: Filipiana 1:27-30

 Aoka ho tampina ary tsy hahita intsony ny maso manara-maso rehetra, aminny anarani Jesosy.

 Aoka ny fiainako aminity taona ity hahita karazana hosotra izay hahatonga ahy ho lehibe kokoa noho ny razambeko.

 Aoka tsy hamokatra aminny anarani Jesosy ny hetsika ara-panahy rehetra ataonny aizina anoherana ny fiainako.

 Aoka ilay hery izay nanafaka ani Jakoba tamini Labana hanafaka ny voninahitro aminny faharavana hafa.

 Tompo ô avotsory amiko Ilay hery hahavitako ity taona ity mora foana.

 Tompo ô aminity taona ity ny fiainako dia tsy ho toy ilay bibilava menarana izay tsy miaina mba hahita ny fifalianny taranaka ateraka velively.

 Tompo ô, misaotra anao aho ny aminny hoavy be voninahitry ny fiainako sy ny olona aminireo sary ireo.

 Aoka ho faty aminny anarani Jesosy ny fanahy rehetra miasa ao aminny maizina manohitra ny ankohonako.

 Ataoko malemy aminny anarani Jesosy ny ezaka faharatsiana rehetra akendry ny anjarako.

 Aoka ho rava aminny anarani Jesosy ny herinny alina rehetra izay manodinkodina ny anjaranny olona aminny alalanny nofy.

Andro Fahatelo:

Andininy ao aminny Baiboly: Efesiana 6:13

 Aoka ho voasambotra aminny anarani Jesosy ny fanapahana sy hery rehetra manao iraka mikasika ny anjarako.

 Tompo ô, afaho aminny fanodinkodinana ara-pamosaviana rehetra voavolavola hisintona ahy hidina aho, aminny anarani Jesosy.

 Ry herinny fahoriana, tsy atolotra hofidìnao ny fiainako, mianjerà ary matesa aminny anarani Jesosy.

 Aoka ho rava aminny anarani Jesosy ny fitaovam-piadianny fanafihana satanika rehetra narotsaka hanohitra ny fiainako.

 Atsangako ny saina anoherana ny fanafihana rehetra ataonny mpanapaka ny fahamaizinana eo aminny fiainako aminny anarani Jesosy.

 Atsangako ny saina anoherana ny fanafihana rehetra ataonny faharatsiana ara-panahy anoherana ny fiainako, aminny anarani Jesosy.

 Aoka ho voasambotra aminny anarani Jesosy ny iraky ny faharatsiana rehetra manao iraka mikasika ny fiainako.

 Laviko manomboka anio ny fanodinkodinana sy asa ara-panahy rehetra ao aminny nofiko, aminny anarani Jesosy.

 Ny zana-tsipìka rehetra natifitra ny anjarako, aoka hiverina aminizay nandefa azy aminny anarani Jesosy.

 Ray ô, Arovy aminny endrika fanafihana ara-panahy rehetra aminny rànny anarani Jesosy ny ankohonako, aminny anarani Jesosy.

Andro Fahefatra

Andininy ao aminny Baiboly: Hebreo 3:13

 Tompo ô tafiho ny mpanafika ara-panahy rehetra izay manafika ny anjarako, aminny anarani Jesosy.

 Ray ô, aminny alalanny afonny Fanahy Masina, ataovy tsy azo tafihina ny fiainako, aminny anarani Jesosy.

 Aoka ho tapaka aminny anarani Jesosy ny ozona fantatra sy tsy fantatra rehetra miasa ao aminny maizina manohitra ny anjarako.

 Aoka ho faty aminny anarani Jesosy izay mahery rehetra mampihatra ny ozona aminny fiainako.

 Aoka ho tapaka aminny anarani Jesosy ny ozona talohanny niforonako tao an-kibo izay mampahory ny anjarako.

 Aoka ho tapaka sy hiverina aminizay nandefa azy ny ozona rehetra avy amina ozona mipetraka ho azy avy aminny ray aman-dreny manohitra ny anjarako, aminny anarani Jesosy.

 Aoka ho hita ary ho faty aminny anarani Jesosy ny hery izay mampihatra ozona tsy fantatra anoherana ny anjarako.

 Aoka ho tapaka aminny anarani Jesosy ny ozona rehetra izay mampijanona ahy amina fatotra mandrakizay.

 Aoka ho tapaka aminny anarani Jesosy ny ozona miafinny fianakaviana nolovako.

 Aoka ho hita ary ho tapaka aminny anarani Jesosy ny ozona rehetra taorianny niforonako tao an-kibo mahatonga ahy ho irery.

Andro Fahadimy

Andininy ao aminny Baiboly: 1 Korintiana 16:13

 Aoka hiongotra sy ho tapaka aminny anarani Jesosy izay fanaraha-masonny ozona rehetra ao aminny fototro.

 Tapaka aminny anarani Jesosy ny ozona tohananny fanaovana ody ratsy mahazo ny fianakaviako.

 Tapaka aminny anarani Jesosy ny ozona avy aminny fahazazana izay nolovako taminny andro nanomezana anarana ahy.

 Tapaka aminny anarani Jesosy ny ozona miasa manohitra ny lohako mba hitondra loza ho ahy.

 Tapaka aminny anarani Jesosy ny ozonny fihodinkodinana fotsiny tsy ahavitan-javatra izay miasa manohitra ny fototro.

 Miverina any aminizay nandefa azy aminny anarani Jesosy izay fankatovana rehetra nalefa tamiko taminny andro nahaterahako.

 Aoka ho foana aminny anarani Jesosy izay fankalazana fomba demoniaka rehetra natao ho ahy taminny fotoana nahaterahako.

 Aoka ho foana aminny anarani Jesosy ny fombafombam-pianakaviana rehetra nitondra ozona taminny anjarako.

 Tapahiko aminny anarani Jesosy ny herinny ratsy eo aminny fiainako vokatry ny ozona tsy fantatra.

 Tapaka aminny anarani Jesosy ny ozona miafina rehetra mampiroborobo fahantrana eo aminny fiainako.

Andro Fahenina

Andininy ao aminny Baiboly: 2 Tantara 32:6-8

 Tapaka aminny anarani Jesosy ny ozona tsy fantatra rehetra izay mampiroborobo fihemorana sy fijanonana eo aminny fiainako.

 Aoka ho tapaka aminny anarani Jesosy ny teny ratsy rehetra notenenina taminny fiainako noho ny fombam-pianakaviana ary miantraika aminny anjarako aminizao fotoana izao

Дальше